Romans 1

1Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, dia voaantso ho apostoly, ary voatokana ho mpitory ny filazantsaran’ Andriamanitra. 2Io ilay filazantsara izay efa nampanantenainy mialoha tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny tao amin’ny Soratra Masina. 3Izany dia momban’ny Zanany lahy, izay teraka avy amin’ny taranak’i Davida araka ny nofo.

4Tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia voambara ho ilay zanaka maherin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahin’ny fahamasinana Izy_ dia Jesosy Kristy Tompontsika. 5Tamin’ny alalany no nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly amin’ny fankatoavana ny finoana eo amin’ny firenena rehetra, noho ny Anarany. 6Amin’ireo firenena ireo, ianareo ihany koa dia voaantso ho an’i Jesosy Kristy.

7Ity taratasy ity dia ho an’ireo rehetra ao Roma, izay malalan’Andriamanitra, izay voaantso ho olo-masina. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

8Voalohany, isaorako ny Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy noho ny aminareo rehetra, satria ny finoanareo dia efa nambara manerana izao tontolo izao. 9Fa Andriamanitra no vavolombeloko, izay tompoiko ao amin’ny fanahiko ao amin’ny filanzatsaran’ny Zanany, fa tsy mitsahatra miresaka anareo Aminy Aho. 10Mangataka foana Aho amin’ny vavaka ataoko ny mba ahombiazako amin’ny fomba rehetra araka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho tonga aminareo.

11Fa izaho dia maniry ny ahita anareo, mba afahako manome fanomezam-panahy sasantsasany ho anareo, mba hampahery anareo. 12Izany, dia maniry Aho ny mba hifankaherezantsika eto anivontsika, amin’ny alalan’ny finoan’ny tsirairay avy, ny anareo sy ny ahy.

13Ankehitriny tsy tiako ianareo tsy ahafantatra, ry rahalahy, hoe matetika aho no manana fikasana hanatona anareo, (nefa Izaho dia voasakana mandrak’ankehitriny), mba hahazoana vokatra eo aminareo, toy ny efa nahazoako ny ambin’ireo Jentilisa ihany koa. 14Izaho dia mpitrosa amin’ireo Grika sy ireo vahiny, amin’ny hendry sy adala. 15Noho izany, amiko, dia vonona ihany koa aho hitory ny filazantsara ho anareo izay any Roma.

16Fa izaho dia tsy menatra amin’ny filazantsara, fa izany no herin’Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino, ho an’ny Jiosy aloha ary ho an’ny Grika. 17Fa amin’izany no anehoana ny fahamarinan’ Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka izay voasoratra hoe: “Ny marina dia ho velona amin’ny finoana.”

18Fa ny fahatezeran’Andriamanitra dia naseho avy any an-danitra manohitra ny haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinan’ny olona, izay manakana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tsy fahamarinana. 19Izany dia satria izay fantatra momban’Andriamanitra dia hitan’izy ireo maso. Fa nohazavain’Andriamanitra izy ireo.

20Fa ireo endriny izay tsy hita maso, izay heriny tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra Azy, dia hita nazava tsara, nanomboka tamin’ny famoronana izao tontolo izao, tamin’ireo zavatra izay noforonina. Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny izy ireo. 21Izany dia satria, na dia efa nahafantatra ny momban’Andriamanitra aza izy ireo, dia tsy nanome voninahitra amin’ny maha Andriamanitra Azy, na koa nisaotra Azy. Fa kosa, lasa adala tao an-tsainy izy ireo, ary nihamaizina ny fo donton’izy ireo.

22Izy ireo dia nilaza azy ireo ho hendry, kanefa dia niha-lasa adala. 23Ny voninahitran’Andriamanitra tsy mety lo dia natakalon’izy ireo sarin‘endrik’olombelona mety lo, vorona, biby manan-tongotra efatra, sy ireo zavatra mikisaka.

24Noho izany dia natolotr’Andriamanitra ho amin’ny filan’ny fon’izy ireo ho amin’ny fahalotoana izy ireo, mba ho afa-boninahitra eo amin’izy ireo ihany ny tenan’izy ireo. 25Izy ireo no nanakalo ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny lainga, ary izay midera sy manompo ny zava-boary fa tsy ilay Nahary, izay deraina mandrakizay. Amena.

26Noho izany, natolotr’Andriamanitra ho amin’ny filàn-dratsy mamoafady izy ireo, fa ireo vehivavin’izy ireo dia nanakalo ireo fifandraisana voajanahary tamin’ireo izay tsy voajanahary. 27Toy izany koa, ireo lehilahy dia namela ny fifandraisan’izy ireo voajanahary miaraka amin’ny vehivavy ka nampirehetin’ny filàna ara-nofo ho an’ny izy samy izy. Ireo dia lehilahy izay nanao fihetsika mahamenatra miaraka amin’ny lehilahy ary nandray tao amin’izy ireo ny sazy izay mendrika azy ireo nohon’ny fahavetavetan’izy ireo.

28Satria tsy nanaiky ny hanana an’Andriamanitra ao amin’ny fieritreretany izy ireo, dia nomeny saina tsy mendrika izy ireo, mba hanaovana ireo zavatra izay tsy mety.

29Izy ireo dia feno ny tsy fahamarinana, faharatsiana, fitsiriritana, ary lolompo rehetra. Izy ireo dia feno fialonana, famonoana, fifandirana, fitaka, ary fikasana ratsy. 30Izy ireo dia mpifosa, mpanendrikendrika, ary mpankahala an’Andriamanitra. Izy ireo dia mahery setra, miavona, ary mirehareha. Izy ireo dia mpamorona zava-dratsy, ary izy ireo dia tsy mankatoa ny ray aman-dreniny. 31Izy ireo dia tsy manana fahalalana; izy ireo dia tsy azo itokisana, tsy misy fitiavana voajanahary, ary tsy mamindra fo.

Hain’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra, fa ireo izay manao zavatra tahaka izany dia mendrika ny fahafatesana. Fa tsy ireo zavatra ireo ihany no ataony, fa manaiky ireo hafa izay manao ireny koa.

32

Copyright information for PltULB